Acts 14:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an’i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan’ny tanàna satria noheveriny fa efa maty izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo nony tonga nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy, ka niditra tao an-tanàna. Ny ampitso ihany dia lasa nankany Derbe izy sy i Barnabe.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy Jiosy tonga avy tany Antiôkia any Pisidia sy avy tany Ikôniôma. Nahazo ny fom-bahoaka ry zareo ka nitora-bato hahafaty an’i Paoly, ary nitaritarika azy teo ivelan’ny tanàna satria nampoiziny ho efa maty.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an'i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan'ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy Jiosy* tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an’i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan’ny tanàna satria noheveriny fa efa maty izy.
malagasy
Ary nisy Jiosy tonga avy tany Antiokia sy Ikonioma, izay nitaona ny vahoaka ka nitora-bato an'i Paoly, dia nitarika azy ho eny ivelan'ny tanàna, satria nataony fa efa maty izy.