Acts 14:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no hidirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Isan’Eglizy nalehany, nony efa nivavaka sy nifady hanina izy ireo, dia nanendry Pretra, sy nanankina azy tamin’ny Tompo izay efa ninoany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampahery fo ny mpianatra i Paoly sy i Barnabà ary nampirisika azy ireo haharitra amin’ny finoana ka nanao taminy hoe: –Fahoriana be no tsy maintsy diavintsika mba hidirana ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!
Malagasy Bible 1865
nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no hidirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
malagasy
nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra.