Acts 14:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana dia nilaza izay rehetra nataon’Andriamanitra tamin’ny niarahany taminy sy ny namohany ny varavaran’ny finoana ho an’ny Jentilisa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary elaela ihany no niarahany nitoetra tamin’ny mpianatra tao Antiôkia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony tonga tao Antiôkia izy roa lahy, dia namory ny Fiangonana, ka nitantara ny zavatra rehetra nampanaovin’Andriamanitra azy ary koa nitantara ny namohan’Andriamanitra varavarana ho an’ny hafa firenena mba hahazoany mino.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an'ny jentilisa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana dia nilaza izay rehetra nataon’Andriamanitra tamin’ny niarahany taminy sy ny namohany ny varavaran’ny finoana ho an’ny Jentilisa*.
malagasy
Ary rehefa tonga tao izy ka namory ny fiangonana, dia nilaza izay rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny nombany azy, sy ny namohany varavaram-pinoana ho an'ny jentilisa.Dia nitoetra elaela ihany tamin'ny mpianatra izy.