Acts 15:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy foràna araka ny fanaon’i Mosesy ianareo dia tsy azo vonjena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nisy olona avy tany Jodea nampianatra ny rahalahy hoe: «Raha tsy forana araka ny Lalàn’i Môizy ianareo, dia tsy ho voavonjy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy kristianina sasany nidina avy tany Jodea, tonga tao Antiôkia ka nikatroka nampianatra ny havana iray finoana hoe: «Tsy ho voavonjy ianareo raha tsy foràna araka ny fomba amam-panao voalazan’ny lalànan ’i Mosesy.»
Malagasy Bible 1865
Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon'i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy olona sasany izay nidina avy tany Jodia* nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy foràna araka ny fanaon’i Mosesy ianareo dia tsy azo vonjena.
malagasy
[Ny nifandiran'ny sasany ny amin'ny famorana, sy ny nataon'ny Apostoly sy ny loholona tany Jerosalema tamin'izany] Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon'i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena.