Acts 15:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nifandìtra sy niady hevitra be ihany tamin’ireo i Paoly sy i Barnabasy dia nifanarahana ny hiakaran’izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin’ny Apostoly sy ny loholona mba hanadina ny amin’izany zavatra niadian-kevitra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka nony efa nifanditra sy niady hevitra mafy tamin’ireo i Paoly sy i Barnabe, dia izao no hevitra nifanarahana: hiara-miakatra any Jerosalema i Paoly sy i Barnabe, ary ny sasany amin’izy an-daniny, handinika amin’ny Apôstôly sy ny Pretra ilay zavatra niadiany hevitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Notoherin’i Paoly sy i Barnabà ry zareo ary niadiany hevitra mafy ka izao no nifanarahana: hiakatra any Jerosalema i Paoly sy i Barnabà mbamin’ny olona sasantsasany avy ao Antiôkia mba hifampidinika amin’ny apôstôly sy ny loholona momba izany raharaha iadian-kevitra izany.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin'ireo Paoly sy Barnabasy, dia nifanarahana ny hiakaran'izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin'ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny niadian-kevitra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nifandìtra sy niady hevitra be ihany tamin’ireo i Paoly sy i Barnabasy dia nifanarahana ny hiakaran’izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin’ny Apostoly sy ny loholona mba hanadina ny amin’izany zavatra niadian-kevitra izany.
malagasy
Ary rehefa nifanditra sy niady hevitra be ihany tamin'ireo Paoly sy Barnabasy, dia nifanarahana ny hiakaran'izy roa lahy sy ny sasany koa hankany Jerosalema ho any amin'ny Apostoly sy ny loholona hanadina izany teny niadian-kevitra izany. [ Gr. presbytera]