Acts 15:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin’ny fiangonana manontolo ny hifidy olona avy amin’izy ireo hirahina hiaraka amin’i Paoly sy i Barnabasy hankany Antiokia, koa i Joda izay antsoina hoe Barsabasy sy i Silasy, samy mpitarika teo amin’ny rahalahy, no voafidy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nankasitrahin’ny Apôstôly sy ny Pretra mbamin’ny Eglizy rehetra izany; ka nifidy ny sasany tamin’izy rehetra izy ireo, mba hirahina ho any Antiôkia hiaraka amin’i Paoly sy i Barnabe: dia i Jodà izay atao hoe Barsabasy, sy i Silasy, lehilahy lohandohany tao amin’ny havana iray finoana, no laniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia hitan’ny apôstôly sy ny loholona mbamin’ny Fiangonana manontolo fa mety ny hifidianana solotena avy amin’ny mpivory ka halefa hiara-dia amin’i Paoly sy i Barnabà hankany Antiôkia. Dia voafidy i Joda, atao hoe Barsabasy, ary koa i Silasy, samy lehilahy eken-teny teo amin’ny havana iray finoana.
Malagasy Bible 1865
Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin'ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin'ny namany mba hirahina hiaraka amin'i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin'ny rahalahy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin’ny fiangonana manontolo ny hifidy olona avy amin’izy ireo hirahina hiaraka amin’i Paoly sy i Barnabasy hankany Antiokia, koa i Joda izay antsoina hoe Barsabasy sy i Silasy, samy mpitarika teo amin’ny rahalahy, no voafidy;
malagasy
Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin'ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin'ny namany mba hirahina hiaraka amin'i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin'ny rahalahy; [ Gr. presbytera]