Acts 15:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny hifadianareo ny hena aterina amin’ny sampy, ny ra, ny biby kendaina ary ny fijangajangana; hahasoa anareo raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo. Veloma.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia ny hifadianareo ny hena natolotra tamin’ny sampy, sy ny ra, ary ny biby nokendaina, mbamin’ny fijangajangana; soa ho anareo ny mifady an’izany. Veloma.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
tsy mihinana ny hena natao sorona tamin’ny sampy; mifady ny ra; tsy mihinana ny henam-biby tsy nosomindaina; ary tsy manao fifandraisana mamoafady ara-panambadiana. Tsara tokoa no ataonareo raha mitandrin-tena tsy hanao izany. Veloma!»
Malagasy Bible 1865
dia ny hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny hifadianareo ny hena aterina amin’ny sampy, ny ra, ny biby kendaina ary ny fijangajangana; hahasoa anareo raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo. Veloma.
malagasy
dia ny hifadianareo ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany ianareo, dia ho soa. Veloma ianareo.