Acts 15:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namatsy azy tamin’izay nilainy ny fiangonana, dia nandeha namakivaky an’i Foinika sy Samaria izy ka nitantara ny niovan’ny Jentilisa; ary nahafaly ny rahalahy rehetra tokoa izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia naterin’ny fiangonana teny ho eny izy ireo, vao nanohy ny diany namaky an’i Fenisia sy i Samaria, nitantara ny nibebahan’ny Jentily, ka nahafaly indrindra ny havana rehetra iray finoana izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa novatsîn’ny Fiangonana ry i Paoly, dia lasa namakivaky an’i Fenisia sy i Samaria sady nitantara ombieny ombieny ny fitodihan’ny hafa firenena amin’Andriamanitra, ka nahafaly aoka izany ireo havana rehetra iray finoana.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an'i Foinika sy Samaria izy ka nilaza ny niovan'ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namatsy azy tamin’izay nilainy ny fiangonana, dia nandeha namakivaky an’i Foinika sy Samaria izy ka nitantara ny niovan’ny Jentilisa*; ary nahafaly ny rahalahy rehetra tokoa izany.
malagasy
Ary rehefa nanatitra azy ny fiangonana, dia nandeha namaky an'i Foinika sy Samaria izy ka nilaza ny niovan'ny jentilisa; dia nampifaly ny rahalahy rehetra indrindra izy.