Acts 15:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa afaka andro vitsivitsy dia hoy i Paoly tamin’i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin’ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin’ny Tompo mba hahafantarantsika ny momba azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afaka andro vitsivitsy, dia hoy i Paoly tamin’i Barnabe: «Andeha indray isika hamangy ny havana iray finoana any amin’ny tanàna rehetra efa nitoriantsika ny tenin’ny Tompo, hahitantsika izay toetrany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy i Paoly tamin’i Barnabà: –Andeha hiverenantsika hovangiana ireo havana iray finoana any amin’ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin’ny Tompo mba hahitana izay manjo azy any.
Malagasy Bible 1865
Ary tian'i Barnabasy ny hitondra an'i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa afaka andro vitsivitsy dia hoy i Paoly tamin’i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin’ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin’ny Tompo mba hahafantarantsika ny momba azy.
malagasy
[Ny niaingan'i Paoly fanindroany hitety vohitra tany Asia Minora] Ary rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy Paoly tamin'i Barnabasy: Andeha isika hiverina hamangy ny rahalahy any amin'ny tanàna rehetra izay efa nitoriantsika ny tenin'ny Tompo, hahitantsika izay toetrany.