Acts 16:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa niala teo izahay dia nankany Filipia, izay tanàna voalohany amin’izany zaratanin’i Makedonia izany sady zanatany romana; ary nipetraka tao amin’izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony niala teo izahay dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin’izany faritanin’i Masedônia izany, sy zanatany rômanina. Nampianatra andro vitsivitsy tamin’izany tanàna izany izahay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo izahay, dia nankany Filipy, tanànan’ny faritany voalohany ao Masedônia, sady zanatany rômanina. Nijanona andro maromaro tao amin’io tanàna io izahay.
Malagasy Bible 1865
Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany zara-tanin'i Makedonia izany sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin'izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa niala teo izahay dia nankany Filipia, izay tanàna voalohany amin’izany zaratanin’i Makedonia izany sady zanatany romana; ary nipetraka tao amin’izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay.
malagasy
Ary nony niala teo izahay, dia nankany Filipy, izay tanàna voalohany amin'izany zara-tanin'i Makedonia izany sady zana-panjakana; ary nitoetra teo amin'izany tanàna izany andro vitsivitsy izahay. [ Gr. kolonia]