Acts 16:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro Sabata dia nankeo ivelan’ny vavahady teo amoron’ny ony izahay satria noheverinay fa nisy toerana fivavahana teo; dia nipetraka teo izahay ka niresaka tamin’ny vehivavy vory teo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tamin’ny andro sabata, dia nivoaka teo ivelan’ny vavahady izahay, ka nankeny amoron’ny ony, fa nataonay ho any no toerana fivavahana; nipetraka teo izahay, dia niresaka tamin’ny vehivavy izay tafavory teo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro sabata dia lasa tany ivelan’ny vavahadin-tanàna izahay, ka nankeny amoron’ny ony satria noheverinay fa nisy toeram-pivavahana ho an’ny Jiosy teny. Nipetrapetraka izahay ka tafaresaka tamin’ny vehivavy tafavory teo.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro Sabata* dia nankeo ivelan’ny vavahady teo amoron’ny ony izahay satria noheverinay fa nisy toerana fivavahana teo; dia nipetraka teo izahay ka niresaka tamin’ny vehivavy vory teo.
malagasy
Ary tamin'ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan'ny vavahady izahay nankeny amoron'ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin'ny vehivavy vory teo.