Acts 16:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa natao batisa Ravehivavy mbamin’ny ankohonany dia nangataka izy hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin’ny Tompo aho dia mandrosoa ao an-tranoko ka mipetraha ao. Dia naharesy lahatra anay izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary rehefa vita Batemy izy mbamin’ny ankohonany, dia nangataka taminay izy nanao hoe: «Raha mba ataonareo ho mpanompon’Andriamanitra koa aho, dia midira ao an-tranoko ka mitoera ao.» Nanaovany lemozy mihitsy izahay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony avy natao batisa izy mbamin’ny ankohonany, dia nanasa anay i Lidia nanao hoe: –Satria noheverinareo fa mino ny Tompo tokoa aho, dia mandrosoa ianareo hiantrano any amiko. Ary notereny mihitsy izahay.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin'ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa natao batisa Ravehivavy mbamin’ny ankohonany dia nangataka izy hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin’ny Tompo aho dia mandrosoa ao an-tranoko ka mipetraha ao. Dia naharesy lahatra anay izy.
malagasy
Ary rehefa natao batisa ravehivavy mbamin'ny ankohonany, dia nangataka izy nanao hoe: Raha ataonareo ho mahatoky amin'ny Tompo aho, dia midìra ao an-tranoko ka mitoera ao. Dia nanery anay izy.