Acts 16:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandritra ny andro maro no nanaovany izany. Ary sosotra i Paoly, dia nitodika taminy ka niteny tamin’ilay fanahy hoe: Mandidy anao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy aho hiala aminy. Dia niala tamin’izany ora izany indrindra ny fanahy ratsy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Andro maro no nanaovany toy izany, ka sosotra i Paoly sy nitodika tamin’ny fanahy nanao hoe: «Mandidy anao amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy aho hivoaka aminy.» Dia nivoaka niaraka tamin’izay izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Andro maromaro no nanaovan-drazazavavy toy izany. Tofoka i Paoly nony ela ka nitodika azy ary niteny tamin’ny fanahy Pitôna hoe: –Mandidy anao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy aho, mialà aminy! Dia niala taminy teo no ho eo ilay fanahy.
Malagasy Bible 1865
Ary nataony tamin'ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny fanahy hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin'izany ora izany indrindra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandritra ny andro maro no nanaovany izany. Ary sosotra i Paoly, dia nitodika taminy ka niteny tamin’ilay fanahy hoe: Mandidy anao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy* aho hiala aminy. Dia niala tamin’izany ora izany indrindra ny fanahy ratsy.
malagasy
Ary nataony tamin'ny andro maro izany. Ary sosotra Paoly, dia nitodika ka nanao tamin'ny fanahy hoe: Mandidy anao amin'ny anaran'i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin'izany ora izany indrindra izy.