Acts 16:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nahazo teny toy izany Ralehilahy dia nataony tao amin’ny tranomaizina anatiny indrindra izy roa lahy ary ny tongony dia nobolokiny mafy tamin’ny boloky hazo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nahazo teny toy izany ny mpiambina, dia nampiditra azy tao amin’ny tranomaizina anatiny indrindra, sy nangia ny tongony tamin’ny bolaky hazo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao azon’ny mpiambina izany baiko izany, dia nampidiriny tao am-ponja anatiny indrindra izy roa lahy ary nasiany boloky hazo ny tongony.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin'ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin'ny boloky hazo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nahazo teny toy izany Ralehilahy dia nataony tao amin’ny tranomaizina anatiny indrindra izy roa lahy ary ny tongony dia nobolokiny mafy tamin’ny boloky hazo.
malagasy
Ary rehefa nahazo teny toy izany ralehilahy, dia nataony tao amin'ny tranomaizina anatiny indrindra izy, ary ny tongony nobolokiny mafy tamin'ny boloky hazo.