Acts 16:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nisy horohoron-tany mafy dia mafy avy tampoka ka nihozongozona ny fototry ny tranomaizina; ary nivoha niaraka tamin’izay ny varavarana rehetra sady nivaha avokoa ny fatoran’izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niaraka tamin’izay dia nisy horohoron-tany mafy dia mafy, nanozongozona ny trano hatrany am-potony, ka nivoha tampoka ny varavarana rehetra, ary nivaha daholo ny fatoran’izy rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia injay nisy horohorontany mafy tonga tampoka nanozongozona ny fonja hatrany amin’ny fanorenany. Nivoha nidanadana ho azy ny varavarana rehetra, ary samy nivaha ho azy ny fatoran’ireo gadra rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nisy horohoron-tany mafy dia mafy avy tampoka ka nihozongozona ny fototry ny tranomaizina; ary nivoha niaraka tamin’izay ny varavarana rehetra sady nivaha avokoa ny fatoran’izy rehetra.
malagasy
Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra.