Acts 16:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tian’i Paoly hoentina miaraka aminy izy ka nalainy ary noforàny noho ny Jiosy tany amin’izany tany izany, satria fantatr’izy rehetra fa Grika rainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka tian’i Paoly hoentina miaraka aminy; dia nalainy izy ka noforàny, noho ny Jody izay nitoetra tamin’izany tany izany, satria fantatr’izy rehetra fa Jentily ny rainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nokasain’i Paoly ho mpiara-dia aminy. Dia nalain’i Paoly i Timôty ka noforany, mba tsy hanan-kolazaina ny Jiosy mponina amin’iny faritany iny, satria fantatry ny besinimaro fa Grika ny rainy.
Malagasy Bible 1865
Koa tian'i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin'izany tany izany, satria fantatr'izy rehetra fa jentilisa rainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tian’i Paoly hoentina miaraka aminy izy ka nalainy ary noforàny noho ny Jiosy* tany amin’izany tany izany, satria fantatr’izy rehetra fa Grika rainy.
malagasy
Koa tian'i Paoly ho entiny miaraka aminy izy; dia nalainy izy ka noforany noho ny Jiosy tany amin'izany tany izany, satria fantatr'izy rehetra fa jentilisa rainy. [ Gr. Grika]