Acts 16:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpiandry tranomaizina nitatitra izany teny izany tamin’i Paoly hoe: Naniraka handefa anareo ireo governora, koa ankehitriny, mialà eto ianareo ka mandehana amin’ny fiadanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nolazain’ny mpiambina ny tranomaizina tamin’i Paoly izany teny izany. «Naniraka handefa anareo ny lehibe, hoy izy, koa mivoaha ankehitriny, ary mandehana soa aman-tsara.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia tonga ny mpiambina ka nampita hafatra tamin’i Paoly hoe: –Nandefa baiko hanafahana anareo roa lahy ny mpanao fanjakana. Mahazo mivoaka ianareo, ka mandehana soa aman-tsara.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin'i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpiandry tranomaizina nitatitra izany teny izany tamin’i Paoly hoe: Naniraka handefa anareo ireo governora, koa ankehitriny, mialà eto ianareo ka mandehana amin’ny fiadanana.
malagasy
Ary ny mpiandry tranomaizina nilaza izany teny izany tamin'i Paoly hoe: Ireo governora efa naniraka handefa anareo, koa ankehitriny mivoaha ianareo ka mandehana soa aman-tsara.