Acts 16:37 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin’ny miharihary izahay na dia Romana aza ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny, moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ireo ihany no hankaty hamoaka anay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Paoly taminy: «Lehilahy Rômanina izahay, nefa sady nokapohina ampahibemaso tsy voatsara no natao an-tranomaizina koa indray, ka dia ho azony havoaka an-tsokosoko fotsiny izao ve? Tsy azo atao izany, fa aoka ny tenany no hankatỳ handefa anay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy i Paoly tamin’ireo mpitan-defona: –Olona mizaka ny zom-pirenena rômanina izahay, kanefa nodarofana kapoka teo imason’ny vahoaka na dia tsy voatsara ara-dalàna aza; ary koa nampidirina am-ponja. Ka ankehitriny ve dia havoakan-dry zareo an-tsokosoko izahay? Sanatria! Aoka ny tenan’ireo mpanao fanjakana mihitsy no ho tonga atỳ hamoaka anay!
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin'ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin’ny miharihary izahay na dia Romana aza ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny, moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ireo ihany no hankaty hamoaka anay.
malagasy