Acts 16:40 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niala tao an-tranomaizina izy roa lahy ka niditra tao an-tranon’i Lidia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy dia nampahery azy ary lasa nandeha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony avy tao an-tranomaizina izy roa lahy, dia niditra tao an-tranon’i Lidia; ary rehefa nahita sy nanafaka alahelo ny havana iray finoana izy, dia lasa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tafavoaka ny fonja i Paoly sy i Silasy, dia nankany an-tranon’i Lidia. Ary lasa nandeha izy roa lahy nony avy nahita sy nampirisika ny havana iray finoana.
Malagasy Bible 1865
Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon'i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niala tao an-tranomaizina izy roa lahy ka niditra tao an-tranon’i Lidia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy dia nampahery azy ary lasa nandeha.
malagasy
Dia niala tao an-tranomaizina izy ka niditra tao an-tranon'i Lydia; ary rehefa nahita ny rahalahy izy, dia nananatra azy ka lasa nandeha.