Acts 17:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa avy namakivaky an’i Amfipolia sy Apolonia izy ireo dia tonga tao Tesalonika ary nisy sinagogan’ny Jiosy tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia namaky an’i Anfipôlisy sy i Apôlônia izy ireo, ka tonga tany Tesalonika, izay nisy sinagogan’ny Jody.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandalo an’i Amfipôly sy i Apôlônia ry i Paoly sy i Silasy ka tonga tao Tesalônika izay nisy sinagôga anankiray fivavahan’ny Jiosy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nandeha namaky an'i Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan'ny Jiosy tao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa avy namakivaky an’i Amfipolia sy Apolonia izy ireo dia tonga tao Tesalonika ary nisy sinagogan’ny Jiosy* tao.
malagasy
[Ny nankanesan'i Paoly sy Silasy tany Tesalonika sy Beria] Ary rehefa nandeha namaky an'i Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan'ny Jiosy tao.