Acts 17:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niaraka tamin’izay dia nampandehanin’ny rahalahy iny alina iny ihany hankany Beria i Paoly sy i Silasy ka rehefa tonga tany izy ireo dia niditra tao amin’ny sinagogan’ny Jiosy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony alina, dia nampandehanin’ny havana iray finoana niaraka tamin’izay i Paoly sy i Silasy hankany Berea. Ary nony tonga tany izy roa lahy, dia niditra tao amin’ny sinagogan’ny Jody.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony alina ny andro, dia nasain’ny havana iray finoana hiainga ho any Berea i Paoly sy i Silasy. Nony tonga tany izy roa lahy, dia nankany amin’ny sinagôga fivavahan’ny Jiosy.
Malagasy Bible 1865
Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin'ny rahalahy niaraka tamin'izay nony alina hankany Beria; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niaraka tamin’izay dia nampandehanin’ny rahalahy iny alina iny ihany hankany Beria i Paoly sy i Silasy ka rehefa tonga tany izy ireo dia niditra tao amin’ny sinagogan’ny Jiosy*.
malagasy
Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin'ny rahalahy niaraka tamin'izay nony alina hankany Beria; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy.