Acts 17:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsara noho ny tao Tesalonika ny toe-panahin’ireo satria nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra izy ka nandinika ny Soratra Masina isanandro sady nanadihady ny fahamarinan’izay reny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsara toe-panahy kokoa ry zareo tao noho ny tany Tesalonika, satria sady nandray ny teny tamin-jotom-po lehibe izy ireo no nandinika ny Soratra Masina isan’andro, mba hahitany raha mifanaraka amin’izay ampianarina azy na tsia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsara toe-po amam-panahy kokoa ireto Jiosy ireto noho ny tany Tesalônika sady nazoto tokoa nandray ny tenin’Andriamanitra. Nodinihin-dry zareo isan’andro ny Soratra Masina hanamarinany izay lazain’i Paoly.
Malagasy Bible 1865
Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan'andro, na marina izany, na tsia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsara noho ny tao Tesalonika ny toe-panahin’ireo satria nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra izy ka nandinika ny Soratra Masina isanandro sady nanadihady ny fahamarinan’izay reny.
malagasy
Ary ny toe-panahin'ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin'ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan'andro, na marina izany, na tsia.