Acts 17:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo izay nanatitra an’i Paoly dia nitondra azy hatrany Atena; nomen’i Paoly teny holazainy amin’i Silasy sy i Timoty izy ireo mba hankanesan’izy roa lahy haingana any aminy, vao lasa nandeha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niaraka tamin’i Paoly hatrany Atena ry zareo nanatitra azy; raha efa izany dia nohafaran’i Paoly handefa an’i Silasy sy i Timote hanatona azy faingana izy ireo, dia lasa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo nanatitra an’i Paoly dia nitondra azy hatrany Atena. Ary dia niverina tany Berea indray izy ireo nitondra hafatra ho an’i Silasy mbamin’i Timôty; fa niangavian’i Paoly izy roa lahy mba hamonjy azy faran’izay haingana any Atena.
Malagasy Bible 1865
Ary izay nanatitra an'i Paoly dia nitondra azy nankany Atena; ary rehefa nahazo teny holazainy amin'i Silasy sy Timoty izy mba hankanesan'izy roa lahy any aminy faingana, dia lasa nandeha ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo izay nanatitra an’i Paoly dia nitondra azy hatrany Atena; nomen’i Paoly teny holazainy amin’i Silasy sy i Timoty izy ireo mba hankanesan’izy roa lahy haingana any aminy, vao lasa nandeha.
malagasy
Ary izay nanatitra an'i Paoly dia nitondra azy nankany Atena; ary rehefa nahazo teny holazainy amin'i Silasy sy Timoty izy mba hankanesan'izy roa lahy any aminy faingana, dia lasa nandeha ireo.