Acts 17:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny olon-kendry sasany tamin’ny Epikoreana sy ny Stoika dia nanohitra azy koa ka hoy ny sasany: Inona no tian’io mpibedibedy io holazaina? Hoy indray ny sasany: Toa mitory andriamanitra vaovao izy satria Jesosy sy ny fitsanganan’ny maty no notorin’i Paoly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy filôzôfy sasany tamin’ny Epikorianina sy ny Stôisianina niady hevitra taminy koa. Hoy ny sasany: «Inona re no tadiavin’io mpibedibedy io e?» Ary hoy kosa ny sasany nandre azy nitory an’i Jesoa sy ny fitsanganan’ny maty: «Toa mitory andriamani-baovao izy izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy koa filôzôfy epikorianina sy stôisianina nifanakalo hevitra taminy, ka hoy ny sasany hoe: –Inona no tian’ity mpirediredy holazaina? Ny sasany kosa, nony nandre an’i Paoly nanambara ny Vaovao Mahafaly momba an’i Jesoa sy ny fitsanganan’ny maty, dia niteny hoe: –Toa andriamanitra vahiny no torîny!
Malagasy Bible 1865
Ary ny olon-kendry sasany tamin'ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian'io mpibedibedy io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan'ny maty no notoriny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny olon-kendry sasany tamin’ny Epikoreana sy ny Stoika dia nanohitra azy koa ka hoy ny sasany: Inona no tian’io mpibedibedy io holazaina? Hoy indray ny sasany: Toa mitory andriamanitra vaovao izy satria Jesosy sy ny fitsanganan’ny maty no notorin’i Paoly.
malagasy
Ary ny olon-kendry sasany tamin'ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian'io mpibedibedy io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan'ny maty no notoriny. [ Gr. mpitsindroka]