Acts 17:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo dia nahita alitara iray misy izao soratra izao: Ho an’izay Andriamanitra tsy fantatra. Koa izay ivavahanareo kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria raha nandalo aho ka nijery ny zavatra ivavahanareo, dia nahita ôtely anankiray misy izao soratra izao: ‹Ho an’ny Andriamanitra tsy fantatra›. Koa izay ivavahanareo izay, nefa tsy fantatrareo no toriko aminareo:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha nitsangantsangana eran’ny tanàna aho, ka nijerijery ireo toeram-pivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy soratra hoe: «Ho an’ilay Andriamanitra tsy fantatra.» Ka izany tsy fantatrareo izany, kanefa ivavahanareo, no ambarako aminareo.
Malagasy Bible 1865
Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN'IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo dia nahita alitara iray misy izao soratra izao: Ho an’izay Andriamanitra tsy fantatra. Koa izay ivavahanareo kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo,
malagasy