Acts 17:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny sasany tamin’ireo dia nino ka nanampy ho isan’ny mpianatr’i Paoly sy i Silasy, mbamin’ny Grika marobe izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin’ny vehivavy nanan-kaja.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nino ny sasany tamin’izy ireo, ka nikambana tamin’i Paoly sy i Silasy, toraka izany koa Jentily maro be tia vavaka, sy vehivavy ambony toetra betsaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy sasantsasany resy lahatra tamin’ireo mpiangona ka niray anjara tamin’i Paoly sy i Silasy. Nanao toy izany koa ny olona marobe tamin’ireo Grika mpanaja an’Andriamanitra, ary tsy vitsy tamin’ireo vehivavy ambony toerana.
Malagasy Bible 1865
Ary ny sasany tamin'ireo dia nino ka nanampy ho isan'ny mpianatr'i Paoly sy Silasy, ary maro be koa tamin'ny jentilisa izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy nanan-kaja.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny sasany tamin’ireo dia nino ka nanampy ho isan’ny mpianatr’i Paoly sy i Silasy, mbamin’ny Grika marobe izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin’ny vehivavy nanan-kaja.
malagasy
Ary ny sasany tamin'ireo dia nino ka nanampy ho isan'ny mpianatr'i Paoly sy Silasy, ary maro be koa tamin'ny jentilisa izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin'ny vehivavy nanan-kaja. [ Gr. Grika]