Acts 17:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nialona anefa ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, nampitabataba ny tanàna ka nanao fahirano ny tranon’i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho eo amin’ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa velom-pialonana kosa ny Jody, ka namory olona ratsy fanahy tamin’ny faikan’olona, ary nony tafavory betsaka izy ireo, dia nampitabataba ny tanàna. Nanodidina ny tranon’i Jasôna izy ireo nitady hamoaka azy roa lahy ho eo anatrehan’ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Velom-pialonana kosa ny Jiosy, ka namory olon-dratsy avy amin’ireo vahoaka be nahaona teny an-dalambe. Dia nampihotakotaka ny olona ny Jiosy ka nampisavorovoro ny tanàna. Notamîn-dry zareo ny tranon’i Jasôna ary notadiaviny hoentina eo anatrehan’ny vahoaka ry i Paoly sy i Silasy.
Malagasy Bible 1865
Fa nialona ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon'i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho ao amin'ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nialona anefa ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, nampitabataba ny tanàna ka nanao fahirano ny tranon’i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho eo amin’ny olona.
malagasy