Acts 18:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahita Jiosy iray antsoina hoe Akoila avy any Ponto, vao tonga avy tany Italia, niaraka tamin’i Prisila vadiny izy; i Klaodio mantsy dia efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma; dia nankao amin’izy mivady i Paoly.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tao izy dia nahita Jody anankiray atao hoe Akilasy teraka tany Pônto, vao tonga avy tany Italia, niaraka tamin’i Prisila vadiny fa nodidian’i Klaody hiala tany Rôma ny Jody rehetra, ka nanatona azy mivady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitany tao ity Jiosy atao hoe Akoilà izay teraka tany Pônto; vao tonga avy any Italia i Akoilà mbamin’i Prisila vadiny, satria nodidian’ny amperôra Klaody hiala tany Rôma daholo ny Jiosy. Nanatona azy mivady i Paoly;
Malagasy Bible 1865
Ary izy nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia, ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma), dia nankeo amin'izy mivady Paoly.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahita Jiosy* iray antsoina hoe Akoila avy any Ponto, vao tonga avy tany Italia, niaraka tamin’i Prisila vadiny izy; i Klaodio mantsy dia efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma; dia nankao amin’izy mivady i Paoly.
malagasy
Ary izy nahita Jiosy anankiray atao hoe Akoila, izay teraka tany Ponto, vao avy tany Italia, ary Prisila vadiny (fa Klaodio efa nandidy ny Jiosy rehetra hiala tany Roma), dia nankeo amin'izy mivady Paoly.