Acts 18:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Naniry handroso hankany Akaia izy ka nampirisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin’ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga tany izy dia nanampy be dia be ireo izay efa nino noho ny fahasoavana,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naniry hankany Akaia izy, ka nankasitrahin’ny havana iray finoana izany, dia nampitondrainy taratasy izy mba handraisan’ny any azy tsara. Nony tonga tany izy, dia nahavita soa be tamin’izay efa nino noho ny fahasoavana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia nanam-paniriana ho any Akaîa i Apôlao; ka nampirisika azy ny havana iray finoana sady nanoratra taratasy ho an’ny mpianatra amin’io faritany io mba handraisany azy tsara. Nony tafapaka tany i Apôlao, dia nanampy tokoa ireo olona efa niasan’ny fahasoavan’Andriamanitra ka tonga mpino;
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin'ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Naniry handroso hankany Akaia izy ka nampirisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin’ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga tany izy dia nanampy be dia be ireo izay efa nino noho ny fahasoavana,
malagasy
Ary rehefa ta-handroso hankany Akaia izy, dia namporisika azy ny rahalahy sady nanoratra taratasy ho any amin'ny mpianatra mba handray azy tsara; ary rehefa tonga izy, dia nampahatanjaka tsara izay efa nino noho ny fahasoavana;fa izy nahery nandresy lahatra ny Jiosy teo imason'ny olona ka naneho marimarina tamin'ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.