Acts 18:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tafidina avy tany Makedonia i Silasy sy i Timoty dia nanokan-tena ho amin’ny teny i Paoly ka nanambara tamin’ny Jiosy fa Jesosy no Kristy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga avy tany Masedônia i Silasy sy i Timote, dia nahery nitory teny i Paoly, ka nanamarina tamin’ny Jody fa i Jesoa no Kristy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga avy any Masedônia i Silasy mbamin’i Timôty, dia ny toriteny no nimasoan’i Paoly, ary nambarany tamin’ny Jiosy fa i Jesoa no ilay Mesia.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tafidina avy tany Makedonia i Silasy sy i Timoty dia nanokan-tena ho amin’ny teny i Paoly ka nanambara tamin’ny Jiosy fa Jesosy no Kristy*.
malagasy
Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy.