Acts 18:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nanohitra sy niteny ratsy ireo dia nanopakopa-damba izy ka niteny taminy hoe: Aoka ho eo an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; amin’izao sisa izao dia hankany amin’ny Jentilisa aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary noho izy notoherin’ny Jody sy notevatevainy, dia nakopany ny lambany, ka hoy izy tamin’ireo: «Aoka ho eo amin’ny lohanareo ny ranareo, fa afa-tsiny aho, ary hatramin’izao dia any amin’ny Jentily no halehako.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa nanohitra sy nanevateva azy ry zareo; ka dia nanopakopa-damba i Paoly sady nanao taminy hoe: –Anareo ny andraikitra raha toa ka manalavitra an’Andriamanitra ianareo, fa afaka adidy aminareo aho. Manomboka anio dia any amin’ny hafa firenena no halehako.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny jentilisa aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nanohitra sy niteny ratsy ireo dia nanopakopa-damba izy ka niteny taminy hoe: Aoka ho eo an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; amin’izao sisa izao dia hankany amin’ny Jentilisa* aho.
malagasy
Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny jentilisa aho.