Acts 19:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Maro koa ny mpitahiry ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra; ary nony nosandaina ny vidiny dia tokony ho volafotsy dimy alina izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Maro koa tamin’ny mpamoha angatra no nitondra ny bokiny, sy nandoro azy teo anatrehan’ny olona rehetra; nony notombanana ireo boky ireo, dia hita fa vola denie dimy alina no an-kevi-bidiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Betsaka ny mpanao majîka no nitondra ny bokiny ka nandoro izany teo imason’ny olona rehetra. Rehefa natambatra ny tombam-bidin’ireo boky ireo, dia tafakatra 50.000 denàry.
Malagasy Bible 1865
Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Maro koa ny mpitahiry ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason’ny olona rehetra; ary nony nosandaina ny vidiny dia tokony ho volafotsy dimy alina izany.
malagasy
Ary maro ny mpanao ody no nanangona ny bokiny ka nandoro azy teo imason'ny olona rehetra; ary nony voatontaly ny tokom-bidiny, dia hita fa volafotsy dimy alina izany.