Acts 19:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa vita izany rehetra izany dia nikasa tao am-pony handeha hitety an’i Makedonia sy i Akaia aloha i Paoly vao hankany Jerosalema ka hoy izy: Rehefa tonga any aho dia tsy maintsy mahita an’i Roma koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taorian’izany, dia nomen’ny Fanahy Masina hevitra i Paoly hamaky an’i Masedônia sy i Akaia vao hankany Jerosalema, ka nanao anakampo hoe: «Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy mamangy any Rôma koa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’ny nitrangan’izany zavatra izany, dia tapa-kevitra i Paoly fa hamakivaky an’i Masedônia sy i Akaîa ary hankany Jerosalema, sady hoy izy: –Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy ho hitako ihany koa i Rôma.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa vita izany zavatra izany, Paoly dia nikasa tao am-pony handeha hamaky an'i Makedonia sy Akaia aloha vao hankany Jerosalema ka nanao hoe: Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy hahita an'i Roma koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa vita izany rehetra izany dia nikasa tao am-pony handeha hitety an’i Makedonia sy i Akaia aloha i Paoly vao hankany Jerosalema ka hoy izy: Rehefa tonga any aho dia tsy maintsy mahita an’i Roma koa.
malagasy