Acts 19:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina ho ratsy laza, fa ny tempolin’i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, koa ho afa-boninahitra ilay ivavahan’i Azia rehetra sy izao tontolo izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka tsy ny taozavatsika ihany no atahorana hatao zava-poana, fa na hatramin’ny tempolin’i Diàna lehibe koa aza ho tonga tsinontsinona, ka ho levona ny voninahitr’izay ivavahan’i Azia manontolo sy izao tontolo izao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny loza ahina amin’izany, tsy hoe ny haharatsy laza ny raharahantsika ihany, fa koa ny hanaovana tsinontsinona ny tempolin’i Artemida, andriamanibavy lehibe, ka ho very hasina ilay andriamanibavy ivavahana manerana ny faritany Azia sy izao tontolo izao.
Malagasy Bible 1865
Ka dia tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina hatao ho zava-poana; fa ny tempolin'i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, ka ho afa-boninahitra ilay ivavahan'i Asia rehetra sy izao tontolo izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa tsy izao raharahantsika izao ihany no ahina ho ratsy laza, fa ny tempolin’i Diana, andriamani-bavy lehibe, dia hatao tsinontsinona koa aza, koa ho afa-boninahitra ilay ivavahan’i Azia rehetra sy izao tontolo izao.
malagasy