Acts 19:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary teo amin’ny vahoaka dia nisy nampahafantatra ny zava-nitranga tamin’i Aleksandra izay nasesiky ny Jiosy handroso. Dia nibaiko tanana i Aleksandra fa ta handaha-teny hanazava tamin’ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay, nalaina teo amin’ny vahoaka i Aleksandra, ka naroson’ny Jody. Dia nanofa tanana hampangina ny olona i Aleksandra, fa nikasa hiteny tamin’ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy olona avy amin’ny vahoaka nampahalala ny toe-javatra tamin’i Aleksandra, izay natosiky ny Jiosy hiteny. Nanofahofa tanana hampangina ny vahoaka i Aleksandra ka nikasa hikabary.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy nisarika an'i Aleksandro avy teo amin'ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary Aleksandro nanofa tanana, fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin'ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary teo amin’ny vahoaka dia nisy nampahafantatra ny zava-nitranga tamin’i Aleksandra izay nasesiky ny Jiosy* handroso. Dia nibaiko tanana i Aleksandra fa ta handaha-teny hanazava tamin’ny olona.
malagasy
Ary nisy nisarika an'i Aleksandro avy teo amin'ny vahoaka, fa ny Jiosy nanesika azy handroso. Ary Aleksandro nanofa tanana, fa ta-handaha-teny hiala tsiny tamin'ny olona.