Acts 19:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony fantatry ny olona anefa fa Jiosy izy dia niredona niantsoantso tokony ho nandritra ny adiny roa izy rehetra hoe: Lehibe i Dianan’ny Efesiana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo nony fantatr’izy ireo fa Jody io, dia indray niredona tokony ho ora roa izy rehetra niantso hoe: «Lehibe ny Diànan’ny Efezianina!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo nony nahafantatra ny olona fa hay Jiosy i Aleksandra, dia indray niredona izy rehetra nihorakoraka hoe: –Lehibe i Artemida, andriamanitry ny Efesianina! Naharitra tokony ho adiny roa izany horakoraka izany;
Malagasy Bible 1865
Fa rehefa fantatry ny olona fa Jiosy, izy dia niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony fantatry ny olona anefa fa Jiosy izy dia niredona niantsoantso tokony ho nandritra ny adiny roa izy rehetra hoe: Lehibe i Dianan’ny Efesiana!
malagasy
Fa rehefa fantatry ny olona fa Jiosy, izy dia niredona niantso tokony ho ora roa izy rehetra hoe: Lehibe Dianan'ny Efesiana!