Acts 19:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka niteny hoe: Ry lehilahy efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan’ny Efesiana no mpitahiry an’i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin’i Jopitera?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony farany dia nampangina ny vahoaka ny mpanoratra, ka nanao hoe: «Ry lehilahy Efezianina, iza moa no tsy mahalala fa ny tanànan’ny Efezianina no mpitahiry an’i Diàna lehibe sy ny sariny vongana latsaka avy any an-danitra?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
kanefa nampilamina ny vahoaka ihany ilay mpanoratry ny tanàna, ka niteny hoe: –Ry Efesianina, fantatry ny olona rehetra fa ny tanànan’i Efeso dia mpitahiry ny tempolin’i Artemida lehibe sy ny sariny izay nilatsaka avy tany an-danitra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan'ny Efesiana no mpitahiry an'i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin'i Jopitera?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka niteny hoe: Ry lehilahy efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan’ny Efesiana no mpitahiry an’i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin’i Jopitera?
malagasy
Ary ny mpitahiry ny didy dia nampangina ny olona ka nanao hoe: Ry lehilahy Efesiana, iza no olona tsy mahalala fa ny tanànan'ny Efesiana no mpitahiry an'i Diana lehibe sy ny sarin-javatra izay latsaka avy tamin'i Jopitera? [ Gr. Zeosy]