Acts 19:40 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Sao lahy hampangaina noho izao tabataba tsy misy antony izay niseho androany izao isika sady tsy hitantsika izay hanazavana izao fisavorovoroana izao. Rehefa nilaza izany izy dia nampirava ny olona vory teo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha ity tabataba niseho androany ity, dia misy atahorana sao ampangaina isika, satria tsy hita izay antony azontsika anamarinana izao fivoriana izao.» Nony voalazany izany, dia noravany ny olona vory teo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mety hampangaina ho mpikomy isika noho izay nitranga androany; fa tsy misy antony anamarinana izao fivoriana izao ary tsy misy fanazavana mahafa-po azontsika atolotra.
Malagasy Bible 1865
Fa andrao ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy antony izay niseho androany, ka tsy hita izay hilazantsika izao fampitairana izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Sao lahy hampangaina noho izao tabataba tsy misy antony izay niseho androany izao isika sady tsy hitantsika izay hanazavana izao fisavorovoroana izao. Rehefa nilaza izany izy dia nampirava ny olona vory teo.
malagasy
Fa andrao ampangaina isika noho ny tabataba tsy misy antony izay niseho androany, ka tsy hita izay hilazantsika izao fampitairana izao.Ary rehefa nilaza izany izy, dia nampirava ny olona vory teo.