Acts 19:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason’ny olona maro dia niala teo amin’ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana ary niady hevitra isanandro tao amin’ny trano fampianaran’i Tirano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy nety nino anefa ny sasany fa nikiribiby, sady nanaratsy ny Lalan’ny Tompo teo anatrehan’ny vahoaka, ka nisaraka tamin’ireo i Paoly, ary navahany ny mpianatra, dia nampianariny isan’andro tao amin’ny trano fampianaran’olona atao hoe Tiranosa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Maro anefa no nikiribiby tsy nety nino sady naniratsira teo imason’ny besinimaro ny lalana nosoritan’ny Tompo. Dia niala teo amin-dry zareo i Paoly ary nitondra mpianatra niaraka taminy, ka nitoriteny isan’andro tao amin’ny sekolin’i Tirano.
Malagasy Bible 1865
Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason’ny olona maro dia niala teo amin’ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana ary niady hevitra isanandro tao amin’ny trano fampianaran’i Tirano.
malagasy
Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana izany teo imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano. [ Gr. lalana]