Acts 2:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitsangana i Petera sy ny iraika amby folo lahy, dia nanandra-peo ka niteny tamin’izy ireo hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao ka henoy ny teniko:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay, dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera ka nanao antso avo tamin’ireo hoe: Ry Jody sy ianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema, fantaro tsara izao, ary mampandria sofina amin’ny teniko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nitsangana i Petera, niaraka tamin’ny apôstôly 11 lahy, ka nanandra-peo nandahatra tamin’ny vahoaka hoe: –Ry Jiosy mbamy ianareo rehetra tafatoetra eto Jerosalema, izao no aoka ho fantatrareo, ka henoy tsara ny teniko.
Malagasy Bible 1865
Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitsangana i Petera sy ny iraika amby folo lahy, dia nanandra-peo ka niteny tamin’izy ireo hoe: Ry lehilahy Jiosy* sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao ka henoy ny teniko:
malagasy
Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin'ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko: