Acts 2:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry lehilahy Israelita, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’Andriamanitra teo aminareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’Andriamanitra Azy teo aminareo, araka ny fantatrareo ihany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry lehilahy Israelita, henoy izao teny izao: i Jesoa avy any Nazareta, Lehilahy nankatoavin’Andriamanitra teo imasonareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana nampanaoviny Azy teo aminareo, araka ny fantatry ny tenanareo,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry vahoaka israelita, henoy izao teniko izao: I Jesoa avy any Nazareta dia Lehilahy nankatoavin’Andriamanitra teo imasonareo, satria tamin’ny alalany no nanaovan’Andriamanitra asa mahagaga sy zava-mahatalanjona ary famantarana teo anivonareo, araka izay efa fantatrareo.
Malagasy Bible 1865
Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon'Andriamanitra teo aminareo tamin'ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin'Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry lehilahy Israelita, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’Andriamanitra teo aminareo tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’Andriamanitra Azy teo aminareo, araka ny fantatrareo ihany,
malagasy