Acts 2:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa niely izany feo izany dia olona maro no vory sady very hevitra, satria samy nahare azy ireo niteny tamin’ny fiteniny avy izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nahare izany izy ireo, dia nidodododo maro be ka very hevitra izay tsy izy, fa samy nandre azy ireo niteny ny fiteniny avy izy rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao nanomboka ilay feo, dia nirohotra nanatona ny besinimaro sady sanganehana fatratra satria nandre ny mpino nampiasa ny fiteny manokana mahazatra azy mpihaino tsirairay avy.
Malagasy Bible 1865
Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa niely izany feo izany dia olona maro no vory sady very hevitra, satria samy nahare azy ireo niteny tamin’ny fiteniny avy izy rehetra.
malagasy
Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy izy rehetra.