Acts 20:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay dia tonga tandrifin’i Kio nony ampitso; ny ampitson’iny indray dia niantsona tao Samo izahay ka tonga tany Mileto ny andro manaraka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niondrana an-tsambo avy eo izahay, dia tonga tandrifin’i Kiô ny ampitso, ary nitody tao Samôsy ny ampitson’izay, vao tonga tany Mileto ny ampitson’iny indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niala teo indray izahay ka tonga tandrify an’i Kio ny ampitson’iny; ny afakampitso indray, dia niantsona tao Samo, ary tody tao Mileto ny andro manaraka.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay, dia tonga tandrifin'i Kio nony ampitso; ary nony ampitso indray dia niantsona tao Samo; ka tonga tany Mileto izahay nony ampitson'iny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay dia tonga tandrifin’i Kio nony ampitso; ny ampitson’iny indray dia niantsona tao Samo izahay ka tonga tany Mileto ny andro manaraka.
malagasy
Ary rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay, dia tonga tandrifin'i Kio nony ampitso; ary nony ampitso indray dia niantsona tao Samo; ka tonga tany Mileto izahay nony ampitson'iny. [ Ampio hoe: (rehefa nitoetra any Trogilio, dia)]