Acts 20:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Paoly moa dia efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hijanonany ela any Azia satria maika hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema izy raha azo atao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny handalo fotsiny fa tsy hijanona ao Efezy no efa nokendren’i Paoly mba tsy hitoerany ela any Azia: satria maika hamonjy ny andron’ny Pantekôty any Jerosalema izy raha azo atao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa nanapa-kevitra manko i Paoly fa holalovany an-tsambo i Efeso mba tsy handaniany andro ao amin’ny faritany Azia. Fa dodona izy ho tody any Jerosalema alohan’ny andro Pentekôsta, raha azony atao.
Malagasy Bible 1865
Fa Paoly efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Paoly moa dia efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hijanonany ela any Azia satria maika hamonjy ny andro Pentekosta* any Jerosalema izy raha azo atao.
malagasy
Fa Paoly efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema.