Acts 20:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahatanteraka ny fihazakazahako sy ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo hanambara ny Filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany; ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rehefa tanteraka ny diako, ka vitako ny raharaha noraisiko tamin’i Jesoa Tompo, dia ny mitory ny Evanjelin’ny fahasoavan’Andriamanitra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa tsy ataoko ho zavatra ny aiko mba hahatontosako hatramin’ny farany ilay hazakazaka imasoako sy hahatomombana ilay fanompoana nankinin’i Jesoa Tompo tamiko, dia ny ho vavolombelona hanambara ny Vaovao Mahafaly momba ny fahasoavan’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahatanteraka ny fihazakazahako sy ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo hanambara ny Filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra.
malagasy
Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.