Acts 20:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nijanona nandritra ny telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Siria dia nisy Jiosy niara-nanao teti-dratsy hamely azy ka niova hevitra izy ary lasa niverina namakivaky an’i Makedonia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitoetra telo volana tao izy, dia niomana hiondrana an-tsambo hankany Siria, kanjo nikendry azy ny Jody, ka nanapa-kevitra izy fa hamaky an’i Masedônia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
izay vao nankany Gresy ary nitoetra telo volana tany. Efa ndeha hiondrana an-tsambo ho any Siria iny indrindra i Paoly no nahalala fa nioko hamono azy ny Jiosy. Koa tapa-kevitra izy fa hiverina hamaky an’i Masedônia.
Malagasy Bible 1865
Ary nony efa nitoetra telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy Jiosy nanotrika azy, dia niova hevitra izy ka lasa niverina namaky an'i Makedonia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nijanona nandritra ny telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Siria dia nisy Jiosy* niara-nanao teti-dratsy hamely azy ka niova hevitra izy ary lasa niverina namakivaky an’i Makedonia.
malagasy
Ary nony efa nitoetra telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy Jiosy nanotrika azy, dia niova hevitra izy ka lasa niverina namaky an'i Makedonia.