Acts 20:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipia izahay rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira ary namonjy azy ireo tany Troasy nony afaka dimy andro; tany no nipetrahanay nandritra ny fito andro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izahay kosa niondrana an-tsambo, niala tao Filipy taorian’ny andron’ny Azima, ka hadimiana vao tonga tany amin’izy ireo tany Trôasy; dia nitoetra tao hafitoana izahay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izahay dia tany Filipy no niondrana taorian’ny fankalazana ny Azima, ka nony afaka dimy andro, dia nahatratra azy rehetra tany Trôasy izay nitoeranay mandritra ny herinandro.
Malagasy Bible 1865
Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipia izahay rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira ary namonjy azy ireo tany Troasy nony afaka dimy andro; tany no nipetrahanay nandritra ny fito andro.
malagasy