Acts 20:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay dia nitoriteny i Paoly, fa nikasa handeha ny ampitso maraina; naharitra nitoriteny mandra-paha-mamatonalina izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, raha niangona hamaky ny mofo izahay, dia nampianatra azy ireo i Paoly, ka nanohy ny toriteniny hatramin’ny misasaka alina, fa nikasa handeha maraina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tafavory izahay rehetra ny asabotsy maty masoandro hiara-mihinana ny sakafo iombonana, ary niteny tamin’ny mpivory i Paoly. Noho izy tsy maintsy handeha ny maraina, dia nitoriteny hatramin’ny sasakalina.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay dia nitoriteny i Paoly, fa nikasa handeha ny ampitso maraina; naharitra nitoriteny mandra-paha-mamatonalina izy.
malagasy