Acts 20:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy zatovo iray antsoina hoe Eotika nipetraka teo am-baravarankely renoky ny torimaso; ary naharitra ela ny toritenin’i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin’ny tany avy eny amin’ny rihana fahatelo, ary nony narenina izy dia hita fa efa maty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy kosa tovolahy anankiray izay atao hoe Eotìka, nipetraka teo am-baravarankely; sondriantory mafy izy io, fa naharitra ela ny toritenin’i Paoly, ka nirona izy, dia nidaboka tany ambany avy amin’ny rihana fahatelo; nony narenina izy, dia indro fa efa maty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy tovolahy atao hoe Eotîka, nipetraka teo am-baravarankely. Sondrian-tory mafy izy mandritra ilay toriteny lava nataon’i Paoly, ary renoky ny torimaso ka nianjera tany alatrano, avy teny amin’ny rihana fahatelo. Natraka ilay tovolahy saingy efa maty.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin'i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin'ny tany avy eny amin'ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy zatovo iray antsoina hoe Eotika nipetraka teo am-baravarankely renoky ny torimaso; ary naharitra ela ny toritenin’i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin’ny tany avy eny amin’ny rihana fahatelo, ary nony narenina izy dia hita fa efa maty.
malagasy