Acts 21:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tafasaraka tamin’ireo izahay dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy; nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao nankany Patara;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tafasaraka tamin’izy ireo izahay, dia niondrana an-tsambo, nizotra nankany Kosy, ka ny ampitso dia tonga tao Rôdy; ary niala tao indray dia tonga tany Patarà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nataonay veloma ireto loholona, ary dia niondrana izahay ka nanitsy nivantana tany Kôsy; tonga tany Rôdo izahay ny ampitson’iny ary niala tao indray nankany Patara.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tafasarika taminy izahay, dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy; ary nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao nankany Patara;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tafasaraka tamin’ireo izahay dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy; nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao nankany Patara;
malagasy
[Ary nahatongavan'i Paoly tany Jerosalema, sy ny nataony ny tsi-fitiavan'ny Kristiana tany Palestina azy] Ary rehefa tafasarika taminy izahay, dia niondrana an-tsambo ka nizotra nankany Kosy; ary nony ampitso dia tonga tao Rodo, dia niala tao nankany Patara;